- Publicité -
mercredi, juillet 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIhosy – Rn7 : Taksiborosy voatafika, voatifitra teo amin’ny lohany ny mpamily

Ihosy – Rn7 : Taksiborosy voatafika, voatifitra teo amin’ny lohany ny mpamily

Nitrangana fanafihan-dahalo mpanakan-dàlana mitam-basy indray, tamin’ny làlam-pirenena fahafito. Fiara taksibrosy iray hihazo an’i Toliara nandeha irery tsy nanao « caravane » norarafan’ny malaso tifitra varirakaka, ka voan’ny bala teo amin’ny lohany ny mpamily ary nanohy nitondra ny fiara hatrany. Fitahian-janahary no tsy nahafaty an’ilay saofera. Nandalo teo amin’ny masony ny bala ary niantefa tany amin’ny fitaratra « parabrise » ; izay vaky tsy nisy noraisina. Raha ny vaovao voaray dia miala kely ny tanànan’i Zazafotsy amin’ny làla-mahitsy hiditra an’ Ihosy no nitrangan’ny fanafihana, afak’omaly naraim-be.
Eric Man10

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser