Saika haparitaka eto an-drenivohitra ireto rongony ireto, soa ihany fa teny an-dàlana dia saron’ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Ihosy. Rongony milanja eo amin’ny 3 taonina sy sasany teo ho eo no sarona tao amina tokantrano iray teny Ikelivondraka, distrika Ihosy, ny alahady lasa teo. Olona roa no fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika tamin’ity raharaha ity. Araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny kaomisaria foibe any Ihosy, ny kaomisera Telinana François, dia ny sabotsy no efa naharay vaovao mikasika ity rongony aman-taoniny maro saika haondrana aty an-drenivohitra ity ireo mpitandro filaminana, izay avy hatrany dia nandray ny andraikitra nidina teny an-toerana. Raha ny fanazavana hatrany, dia avy amin’iny faritra Betroka iny ny fiavian’ireto zava-madomelina ireto, ary saika avy any avokoa ny ankamaroan’ireo rongony miparitaka eto an-drenivohitra. Raha ny fantatra hatrany aza, dia toa hoe efa misy toerana manokana fambolena ireto zava-mahadomelina ireto mihitsy aza an-toerana. Tamin’io indray mitoraka io dia natao tao anaty gony miisa teo amin’ny 300 teo ho eo ireto jamala ireto, ary teo am-pitadiavana ny fiara hitondra azy hiakatra no izao sarona izao. Olona roa no nosamborina teny an-toerana, izay tompon’ny trano nitobian’ireto rongony ireto, tamin’io fotoana io. Ny alarobia teo no nohenoina teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ireto olona ireto ary nalefa any am-ponja vonjimaika, raha ny fantatra hatrany. Hatreto dia mbola tsy fantatra araka izany izay tena tompon’ireto rongony aman-taonina maro, izay mitetim-bidy an-tapitrisany maro ireto, raha ny fanazavana nomen’ity tompon’andraikitra any an-toerana ity hatrany. Eo anatrehan’izany dia mbola mitohy ny fanadihadiana. Notaterina tao Ihosy ireo ary niroso tamin’ny fandoroana azy ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, afak’omaly hariva.
m.L