Tsy antoandro, tsy alina fa mandraravara ny jiolahy ankehitriny. Toeram-pandefasam-bola amin’ny finday iray no voatafika, tany Ihosy, afak’omaly hariva, ka lasan’ny telolahy tsy nisaro-tava nitondra fitaovam-piadiana tamin’izany ny lelavola 1,8 tapitrisa Ariary niampy finday roa. Rehefa nahazo ny rembiny ireo jiolahy dia nitsoaka ka mbola karohina fatratra amin’izao. Raha ny tati-baovao voaray, dia teo am-piomanakomanana ny hihidy ity “kioska” ity no nisy lehilahy iray sahabo 35 taona eo nody haka vola 120 000 Ariary. Tampoka teo anefa nipoitra avy any ny roalahy nitondra basy poleta vita gasy, ary nandrahona ho faty an’ilay tompon-tsena hanome ny vola rehetra. Noho ny tahotra sy horohoro dia tsy afa-nanohatra ity ramatoa ka nanome ny vola. Ny nahagaga anefa dia betsaka olona nifamevizevy sy nipetrapetraka tsy lavitry ny toerana nisehoan’ny fanafihana, izay samy nilaza izy ireo fa tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa. Raha ny fanamarinam-bavaovao azo, dia ireo tompon’ny tsena “kioska” mivelona amin’ny fandefasana vola amin’ny alalan’ny finday voatafika no voatery miantoka ary mamerina ny volabe very lasan’ireo jiolahy any amin’ny/ireo orinasan-tserasera miara-miasa aminy, ka tsy vitsy ireo tompon’ny tsena lasa banky rompotra mahantra tsy fidiny.
Eric Manitrisa