Nitrangana fanafihana mitam-piadiana narahana vono olona feno habibiana tany amin’iny distrikan’Ihosy iny ny andron’ny talata lasa teo. Raim-pianakaviana iray no maty voatapa-doha tao amin’ny tokantrano iray, tao Anaviavy, ao amin’ny fokontany Ambararata, kaominina ambanivohitr’i Soamatasy.
Ny zava-nisy. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo dia notongavan’ny andian-jiolahy nirongo zava-maranitra tao amin’io tokatrano io. Trano, izay marihana araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary, fa somary mitokamonina. Jiolahy miisa teo amin’ny dimy teo no nandrava izany trano izay izany, izay tsy vitan’ny halatra fotsiny ihany fa mbola novonoin’izy ireo ankitsirano ny lehilahy, tompon-trano. Notapahin’izy ireo tamin’ny famaky ny tendany, hoy ny fampitam-baovao azo ary nesorin’izy ireo ny lohany.
Vao nahazo fampandrenesana mahakasika izay ny zandary dia nidina avy hatrany teny an-toerana, nanao ny fanarahan-dia. Dian-tongotr’olona miisa telo no hita teo amin’ny faritra nisian’ny fanafihana, raha ny vaovao azo hatrany, izay niala teo amin’ny tanana nitrangan’ny loza ary nihazo ny Tampon’Ihorombe mizotra mankany amin’ny RN13 iny. Tapitra teo moa ny dian’ireo satria nanjavona sy toa nisy fiara nitondra izany ireo ny dia narahina.
Tsy nihanona tamin’izany moa ireo zandary mpanara-dia fa mbola manohy ny fikarohana, hitadiavana ireto olona nahavan-doza ireto. Tao anatin’izany ihany koa no nisy ny fanentanana sy ny fizarana ny laharam-pindain’ny zandary, hanafaingana ny fahazoana loharanom-baovao. Paikady izay tafiditra ao anatin’ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana ihany koa. Na izany aza efa namafisina ny fiambenana sy ny fanaovana fisafoana amin’iny lalam-pirenena faha-13 iny ary ny fiambenana ireo lalana na kizo mety handehanan’ireo olon-dratsy.
m.L