Tovolahy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no naratra mafy nihofaka sy nivonto lohalika sy hatoka nosoavaliana mpamosavy, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy teo, tany Ihosy. Hatramin’ny omaly hariva (tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra), dia mbola tsy afa-nitsangana ity lehilahy ity, ary tarainany marary azy mafy sy manakotsako ny hazon-damosiny. Raha araka ny vaovao voaray dia tafody alimbe ity tovolahy mpanao dabokandro ity no sendra ny tsy nampoizina teny an-dalana, fa noenjehin’ny mpamosavy tamin’ny toerana mangina somary mihataka kely ny tanàna raha hihazo ny tampon-tanànan’Ihosy. Efa mahazatra azy moa ny mihazo an’io làlana io rehefa tratra alina ka izay no nahatonga azy tsy natahotra mihitsy raha ny fitantarany, araka ny vaovao voaray hatrany. Teo ampidirana ny tanàna anefa izy no nahatsikaritra zavatra hafahafa sady nihorona tampoka ny hodi-dohany. Rehefa nijanona kely izy, dia aloka vehivavy roa no tazany sady nanaraka azy tao aoriana. Niezaka nandositra ity lehilahy ity kanefa toa voafatotra izany ny tongony tsy nahafahany namindra lavitra, raha ny fitantarany hatrany. Tsy ny jiolahy na dahalo ihany izany no atahoran’ny olona ankehitriny, fa hatramin-dry nenitoa mpivoaka alina.
Eric Manitrisa
Reny mpamosavy reny rehefa tratra tokony vonoina