Fa mankaiza ity firenena ity ? Raha mbola tsy voafafa ao an-tsain’ny maro akory ny momba ireo volamena very tao amin’ny biraom-panjakana tetsy Ampandrianomby, izao koa dia lasa fitahirizina rongony ny tranon’ny talen’ny minisitera iray ao Ihosy. Tsy vitan’izany fa minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no voakasika eto. Toa izao ny zava-nisy, araka ny fitantaràn’ny komisera miadidy ny filaminam-bahoaka ao an-toerana : « ny alarobia maraina tamin’ny dimy ora dia natao ny fisavàna ny tranon’ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena (…) misy ny rakin-tsary izay manamarina izany ary izy tenany rahateo dia nanatrika ny fisavàna ». Nahazo vaovao ny polisy mahakasika ny fisian’ny efa-dahy izay mitatitra rongony amin’ny gony ao amin’ilay trano voalaza etsy ambony. Nangataka alàlana avy hatrany tamin’ny tonia mpampanoa lalàna mba hahafahana misava izany. Rehefa nilamina ny pitsopitsony ara-panjakana dia niandry ny lera ara-dalàna hahafahana manatontosa ny fisavàna. Tsy niandry ela fa vao nipaika ny tamin’ny dimy ora maraina dia natomboka ny asa. Inona tokoa fa hita tao avokoa ireo gony feno zava-mahadomelina. « Miisa dimy izany ary misy 35 kilao isanisany » raha araka ny fanazavan’ny komisera hatrany. Nanomboka teo ny fanadihadiana ary ny voalohany nentina tany amin’ny biraon’ny polisy dia ilay talem-paritra. Niitatra nankany amin’ny zandary efatra sy ny mpiambina ny tranon’ilay tale izany. Fepetra. Omaly no natolotra ny fampanoavana izy rehetra ireo ary raha ny vaovao farany azo avy any an-toerana dia nidoboka am-ponja ilay talem-paritra sy ny mpiambina ny tranony. Ireo zandary kosa dia natao andrimaso ao amin’ny biraon’ny GAPJ (Groupe d’Appui à la Police Judiciaire), izany dia araky ny lalàna mahakasika ny fisamborana sy fanadihadiana mpitandro ny filaminana. Momba ity raharaha ity dia nanamafy koa ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandary : « nandray fepetra avy hatrany ny komandin’ny zandarimaria ary nampanatsoina sy notazomina ka hatao famotorana ireo zandary voakasika. Tsy miray tsikombakomba amin’ny ratsy ny zandary fa mitaky kosa ny hamoahana ny marina mikasika io rongony io. Ny maraina dia efa nihaona tamin’ny tonian’ny mpampanoa lalàna sy ny talem-paritry ny polisy ary nanazava ny fomba nitazomana ireo zandary ary nametraka ny handehanan’ny famotorana araka ny tokony hoizy mba hivoahan’ny marina. Nisy ny fivoahan’ny vaovao tamin’ny tambajotra izay nataon’ny mpanao gazety izay nilaza fa ny diako tany amin’ny manam-pahefana dia ny hamadihana ny fitazomana an-tsoratra. Manana porofo izahay ary voatàna an-tsoratra izany ka dia laviko ny fahadisoan’izany vaovao niely izany ». Na izany aza anefa, azo heverina io vaovao navoakan’ny mpanao gazety io no nanaitra ny ambaratonga isan-karazany tamin’ny fanokafana fanadihadiana ary mendrika ny hoderaina sy haovana izy amin’ny asa nataony. Tranom-panjakana nitahirizana rongony, mpiasam-panjakana sy mpitandro ny filaminana no miray petsapetsa. Miverina ihany ny fanontaniana : fa mankaiza ity firenena ity ?
D.R