Teratany vahiny iray manodidina ny 55 taona no nisy nandroba tao amin’ny efitrano nivantanany, afak’omaly, tany Ihosy, ka very tamin’izany ny volany telo tapitrisa ariary. Raha ny fantatra, dia handeha hitsidika ny valan-javaboary ao Isalo ity vazaha ity no nijanona ka natory tao Ihosy, ary ny maraina vao saika hanohy ny diany. Nahatsiaro tena ho nangina irery angamba ity lehilahy ity, ka naka namana zanaky ny alina niara-natory taminy, sady nanala azy niara-nisotro. Ankona ity vazaha ity noho naraina ny andro fa najavona ny volany, ary tsy hita ihany koa ny najavonan’ilay tovovavy mpivaro-tena “ampela an-tsena”, izay karohina fatratra amin’izao, hoy ny loharanom-baovao.
Eric Manitrisa