- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Velon-taraina ny tompon’omby sy ireo mpandraharaha

Ihosy : Velon-taraina ny tompon’omby sy ireo mpandraharaha

Noho ny tsy fisian’ny « imprimé » amin’ny pasipaoron’omby efa herinandro izao, eny amin’ny delegem-panjakana, dia velon-taraina ireo mpandraharaha omby any amin’ny distrikan’ Ihosy. Raha ny vaovao voaray, dia hafarana avy any amin’ny « Imprimerie nationale » io « imprimé » pasipaoron’omby io ary andoavam-bola. Hatreto anefa, raha ny nambaran’ireo mpandraharaha omby hatrany, dia tsy misy fanazavana azo ny tsy mampisy io taratasy io, nefa foto-piveloman’ny maro aty Ihorombe ny omby. Etsy ankilany anefa, hentitra dia hentitra ny mpitandro filaminana amin’ny fampiharana ny lalàna amin’ireo tompon’omby sy mpandraharaha raha tsy ara-dalàna ny taratasin’ny ombin’izy ireo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici