- Publicité -
mardi, décembre 23, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Voasambotra ireo dahalo nahafaty zandary

Ihosy : Voasambotra ireo dahalo nahafaty zandary

Fantatra izao araka ny vaovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena  fa voasambotra ny fiandohan’ny  herinandro teo ny enina tamin’ireo dahalo nahafaty zandary kilasy faharoa tao amin’ny kaominina Satrokala, distrikan’Ihosy ny herinandro lasa iny. Azo tamin’izany ihany koa ny fitaovam-piadian’ity zandary ity. Tao amin’ny kaominina Menamaty  no nahasamborana ireo jiolahy ireo rehefa narahan-dia nandritra ny andro maromaro. Nisy ny fifandonana tamin’izany ka nahafatesana ny iray tamin’ireo olon-dratsy izay mbola nisy ihany ny tafatsoaka. Tsiahivina fa zandary avy ao amin’ny borigadin’i Mahasoa ity maty teo am-panatanterahana ny asany ity.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici