- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Voasambotry ny polisy ny roa lahy mpamono olona

Ihosy : Voasambotry ny polisy ny roa lahy mpamono olona

Ny fiandohan’ny herinandro, tokony ho tamin’ny 2 ora sy fahefany maraina dia voasambotry ny UIR avy ao amin’ny kaomisaria Ihosy ny roa lahy tompon’antoka tamin’ny famonoana ny lehilahy iray izay niseho ny faha 27 novambra lasa teo, tany Ilempona, kaominina Ambanivohitra Ankily, distrikan’Ihosy. Mbola tratra tany amin’izy roa lahy ihany koa ny « fusil de chasse double canot calibre 16 », an’ilay olona novonoiny, ary ny taratasy mahaksika ilay basy. Araka ny fantatra, ny 26 novambra dia nifanao fotoana tany Ilempona izy telo lahy, ilay rangahy novonoiny sy izy roa lahy, noho ny fifanarahana fivarotam-basy, ary izy roa lahy no hividy ny basin’ilay lehilahy novonoiny. Tsy vita anefa ny fifampivarotana fa novonoin’izy roa lahy ireto ny tompom-basy dia nentiny ny basy, dia izao hita tany amin’izy roa lahy izao. Ao anatin’ny fanadihadiana ny polisim-pirenena momba ity raharaha ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici