Sokatra 448 , tratra tany anaty entan’olona iray nitonona ho zandary no saron’ny pôlisy tany Ihosy ny 18 aogositra teo. Nalaina avy tany Ambovombe ireo biby ireo; izay marihina fa mbola zanany kely avokoa ary saika hentina aty Andrenivohitra. Rehefa nohadihadiana ilay olona nitondra azy, dia nilaza fa tsy azy ireo zavatra ireo fa an’olona nampitondraina azy fotsiny. Tonga dia nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitra tany an-toerana. Nampidirina vonjimaika any am-ponja ilay lehilahy.
r.s.