Ny zoma lasa teo, zandary iray no maty voatifitra ary nisy iray hafa naratra mafy teo am-panaovana ny asany tany amin’ny toerana antsoina hoe Antsoha any amin’ny Faritra Ihorombe Ihosy. Ny zoma lasa teo no niseho ity fitifirana ity. Misy tsena vaovao ao amin’ny tanàna Ampandramahamaha. Napetraka ny “poste fixe” misy zandary efatra. Anisan’izany ireo roalahy voatifitra. Nanao ny asany izy ireo nanamarina ny fivezivezen’ny basy entin’ireo mpiantsena. Tamin’io fotoana io indrindra anefa no nisy nitifitra izy roalahy ireo. Teo amin’ny fony no voa ilay namoy ny ainy. Ilay faharoa kosa mbola azo notsaboina ary nalefa any amin’ny hopitalin’i Fianarantsoa. Ny antony ny fisavana, araka ny vaovao hatrany, lasa nisy tsenan’omby tsy misy fahazoan-dàlana ao amin’ilay toerana.
Tao amin’ny andiany faha-49 no nivoaka ity zandary voatifitra ity. Manambady ary niteraka efatra. Ny alatsinainy teo no natao ny fandevenana azy tany mahaditra Vohibato. Notolorana ny mariboninahitra “Chevalier de l’ordre national à titre posthume” ity mpitandro filaminana ity.
r.s.