Zazavavy kely iray no nataon’ny jiolahy takalonaina tao an-tampon-tanan’ny kaominina Menamaty Iloto, ao amin’ny distrikan’Ihosy, ny alahady lasa teo, nanditra ny fanafihana nataon’izy ireo. Raha ny fampitam-baovao azo, dia tsy naka inona ireto olon-dratsy ireto, fa ity zazavavy ity, izay vao 15 taona monja ity no nalain’izy ireo an-keriny ary nitsoaka ireto farany. Taorian’io fanafihana hafakely io, dia nampandrenesina avy hatrany ny zandary, ary raikitra teo ny fanaharan-dia sy ny fikarohana ireo olon-dratsy mpaka an-keriny. Tsy lasa lavitra akory fa tao an-tampon-tanàna ihany no nifanehitra ny roa tonta ka raikitra teo ny fifandonana. Fantatra tamin’izany, fa roa tamin’ireo olon-dratsy no lavon’ny balan’ireo zandary. Avotra soa aman-tsara kosa ilay ankizivavy na dia naratra aza, notifirin’ireo jiolahy. Raha ny zava-nitranga tokoa mantsy, dia tonga tao amin’io tananan’i Menamaty io, izay mampisaraka ny distrikan’Ihosy sy Beroroha, ny jiolahy efatra izay samy nitondra basim-borona, ny alin’ny alahady lasa teo. Tamin’io fotoana io anefa tsy omby no nalain’izy ireo fa ity zanak’olona ity. Nivantana avy hatrany tamin’io tokantrano io izy ireo ary avy hatrany dia nandositra nony vita ny asa ratsiny. « Nampandre haingana ny zandary ireo niharam-boina ireo ka avy hatrany dia niainga tsy nisy hatak’andro ihany koa ny zandary efatra ary nanaraka koa ireo fokonolona mba hanara-dia ireo jiolahy ireo » hoy ny fampitam-baovao. Tratra teo an-tanana ihany ireto jiolahy mpaka an-keriny ireto, ary io raikitra io fifampitifirana, ny marain’ny alatsinainy. Vao nahatazana ireto zandary anefa ireo jiolahy dia navelany teo ilay ankizivavy no sady notifiriny. Teo amin’ny sorok’ity zaza no nisolifatra ny bala. Voatery namaly tifitra ireo zandary, ka ny roa tamin’izy ireo no voa, ary namoy ny ainy. Avotra soa aman-tsara araka izany ilay zazavavy ary nentina notsaboina. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy hafa raha ny vaovao hatrany.
m.L