Rehefa ela nampihorohoro sy nampijaly vahoaka. Dahalo raindahiny iray mitam-basy, antsoina hoe : « Tsaravita » no maty voatifitry ny Zandary tany Ikalamavony, afak’omaly, raha tafatsoaka nandritra ny fifanjevoana kosa ireo namany, izay mbola karohina fatratra atao hazalambo hatramin’izao. Araka ny fampitam-baovao, taorian’ny fifandonana nisy teo amin’ny dahalo sy ny mpitandro filaminana nandritra ny « opération » fampandrian-tany, dia omby zato no latsaka ny zoma teo. Napetraka any amin’ny Fokontany Samolahy, Kaominina ambanivohitra Soatanana, Distrikan’ Isandra ireo omby, ka omena ny tompony izay manana taratasy, ary manaraka rindran-damina ny fakana ny omby. Ny olana, araka ny fanazavana azo hatrany, dia misy omby iray manana tompony efatra. Mitohy ny fampandrian-tany.
Eric Manitrisa