- Publicité -
dimanche, septembre 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIkalamavony : Dahalo telo, mpanara-dia roa naratra

Ikalamavony : Dahalo telo, mpanara-dia roa naratra

Nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’ny tanan’i Magnova, fokontany Vatsiana any amin’ny distrikan’ Ikalamavony, ny alakamisy lasa teo. Omby am-polony maro no lasa ary ankizy kely roa no nentin’izy ireo natao takalon’aina. Nanara-dia avy hatrany ireo zandary, izay nampian’ny Tafika ary ny fokonolona, ka raikitra ny fifandonana ora vitsy taorian’ny fanafihana. Fantatra ary fa dahalo telo no lavon’ny balan’ireto mpanara-dia. Nisy roa tamin’ireo farany kosa no naratra. Na izany aza anefa dia votsotra ireo ankizy natao takalon’aina, ary tafaverina avokoa ny omby nangalarina. Ambonin’ireo dia fantatra fa nisy basim-borona iray ihany koa azo. « Ny fiaraha-miasa amin’ny samy mpitandro ny filaminana sy amin’ny mponina dia irariana hatrany ny hitohizany fa tsy misy afa-tsy ny fahaombiazana no vokatr’izany, toy izao vokatra izao », hoy ny zandary.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici