Mitohy hatrany ny fampandriana tany sy ady atao amin’ny dahalo any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, ao anatin’ny hetsika Fahalemana. Omaly, tao an-tampon-tananan’Ikalamavony, nirefodrefotra ny basy. Nihevitra avokoa ny mponina fa dahalo indray no manafika. Ny nifanohitra tamin’izany anefa fa ireo mpitandro filaminana nitondra omby an-jatony maro no nanao tifi-danitra, toa nampitandrina ireo mponina. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia omby an-jatony maro no notazomin’ny miaramila, avy amin’ireo tanàna ambanivohitra manodidina, indindra fa ny tao amin’ny kaominina Ambatomainty. Nentina niakatra ny tanàna izy ireo mba hanaovana fanamarinana. Efa ombieny ombieny moa ireo tompon’andraikitra ambony mifehy ireo miaramilan’ny fahalemana no milaza fa tsy manageja ombin’olona izy ireo. Mitondra fotsiny ireo omby tsy manana taratasy na misy fa mampiahiahy, entina hamarinina, any amin’ny tompon’andraikitra mahefa. Rehefa tonga maka ny ombiny ny tompon’omby ka voamarina ara-dalàna fa azy ireo omby dia omena azy izany. Ny loharanom-baovao tany an-toerana hatrany no nahafantarana fa kizo fieren’ny dahalo mihoatra ny valo no efa vakin’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.
m.L