Nitrangana fanafihan-dahalo namoizana ain’olona tsy manan-tsiny indray, tany amin’ny Distrikan’ Ikalamavony, Faritra Matsiatra Ambony, afak’omaly naraina, tao Ambatovory, Fokontany Matsiatra, ka omby 70 ny lasan’ny malaso nitam-piadiana tamin’izany. Raha ny fanazavana azo, dia efa nanafika tao amin’io tanàna ireo ireo dahalo, ny alin’ny asabotsy teo. Nony naraina ny andro, tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any, dia mbola niverenan’ireo malaso notafihana indray ny tanàna, ary trano maromaro no may kila forehitra nodoran’ireo tsy mataho-tody. Tompon’omby iray teo an-tanàna izay niaro mafy ny fananany tsy horobaina no maty voatifitra. Noho ny ezaky ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraiki-panjakana any an-toerana, ary ireo Fokonolona nanara-dia tsy nandry andro, tsy nandry alina tamin’ny fanenjehana an’ireo fahavalom-bahoaka, dia latsaka (tota) omaly naraina ireo omby 70 ; izay fantatra ankehitriny fa efa tafaverina soa aman-tsara amin’ny tompony avokoa, raha ny tati-baovao voaray tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra.
Eric Manitrisa