Manjaka ny asan-dahalo arahina vono olona any andrefan’i Fianarantsoa amin’izao. Tsy nionona tamin’ny fandrobana ireo omby fitopolo teny am-piraofana ireo dahalo ny zoma antoandro teo, tao Maherivinda, fokontany Ambodivohitra any amin’ny distrikan’Ikalamavony fa nalain’izy ireo an-keriny nataony takalon’aina niaraka tamin’ny omby avy nangalarina ny mpiandry omby iray. Notapahin’ireo dahalo ireo anefa ny lohan’ity farany, noho ny antony tsy mbola fantatra, ka maty tsy tra-drano, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana.
Miaina anaty horohoro. Ny ampitson’io. Olona roa tamin’ireo fokonolona mpanara-dia no naratra mafy voatifitry ny malaso ka tapaka tanteraka ny tànan’ny anankiray, tao amin’ny tanànan’i Mandoanono, fokontany Ivatsiana. Vokatr’izany, miaina ao anaty horohoro tanteraka ny mponina, satria tsy misaraka amin’ny basy mahery vaika ny dahalo ka mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Faritra mena hatry ny ela Ikalamavony ka mitaky ny fandraisana andraikitry ny fanjakana, hamerenana ny fandriampahalemana, ny hetahetan’ny mponina any an-toerana.
Manitrisa