- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversIkongo : Fiaraben’ny Emmonat, nivadika teny ambony tetezana, telo namoy ny ainy,...

Ikongo : Fiaraben’ny Emmonat, nivadika teny ambony tetezana, telo namoy ny ainy, enina mbola tsy hita

Kamiô nitondra mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo/nat, no niharan-doza teo amin’ny tetezana iray tany Ambinanitromby, 30 kilaometata  hiditra an’Ikongo ny sabotsy teo, ka nivarina tanaty rano. Hatreto aloha, raha ny fampitam-baovao ofisialy avy tamin’ny zandarimariam-pirenena, dia mpitandro filaminana telo no namoy ny ainy : roa avy amin’ny Tafika Malagasy ary iray avy amin’ny pôlisim-pirenena. Ambon’izy ireo, dia maro ireo tsy hita popoka raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany teo no nitranga ny loza, raha handeha hiampita an’ity tetezan-kazo eo amin’ny reniranon’ Agnila ity ireto mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo ireto. Vaky kodiarana ny fiara ka nahatonga ny fitanilàna ary dia nivarina tany anaty rano nony avy teo. Noho ny ora-nikija anefa dia niakatra be ny rano ary mafy be ny fandehany. Antony izay mbola nampanano sarotra ny fitadiavana ireo izay tsy hita hatramin’ny ora nanoratanay, omaly. Raha ny fantatra hatrany, dia voairaka hoany Ikongo ireto miaramilan’ny Emmo ireto, hanampy isa ireo tany an-toerana, mahakasika ilay raharaha fahavakisana fonja niseho tany an-toerana tamin’iny herinandro lasa iny. 31 lahy izy ireo  no tao anatin’ilay fiarabe ary teo amin’ny sivy teo no mbola tsy hita popoka tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Miaramilan’ny Tafika Malagasy ny enina amin’izy ireo, pôlisy kosa ny  roa, izay samy miasa ao Fianarantsoa avokoa. Zandary avy any Mananjary kosa ny iray amin’izy ireo. Vao omaly no hita ny vatana mangatsiakan’ny telo tamin’izy ireo. “Mitohy hatrany ny fikarohana miaraka amin’ny fokonolona maro avy eo an-toerana; izay tena nanampy dia nanampy tamin’ny famonjena tamin’ny vao nisehoan’ny loza ka hatramin’izao fotoana izao ka isaorana manokana”,hoy hatrany ny fampitam-baovao. Fantatra ihany koa, fa efa nisy fiarabe nitondra miaramila mpisitrika maromaro, hanampy isa ireo mpikaroka any an-toerana nisehoan’ny loza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici