- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversIkongo : Noho ny haintany, lasa olana goavana ny famatsian-drano ankehitriny

Ikongo : Noho ny haintany, lasa olana goavana ny famatsian-drano ankehitriny

Misedra olana goavana ankehitriny ny ao amin’ny Distrikan’ IKongo any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Noho ny haintany misy mahazo laka amin’izao, dia saika maina tanteraka avokoa ny loharano mpamatsy rano ka mitarika tsy fisian-drano ho an’ny mponina. Raha ny fampitam-baovao azo, dia adiny roa isan’andro ihany no misy paompin-drano mivoha azo akana rano. Lasa miteraka fimenomenonana sy ady amin’ireo mpifanolo-bodirindrina aza ny filaharan-drano. Araka ny fantatra dia efa amam-bolana maro no nisy ity fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka any an-toerana ity, kanefa hatreto dia mbola tsy nahitan’ny tompon’andraikitra vahaolana izany, ka anaovan’ny vahoaka antso avo aty amin’ny mpitondra fanjakana foibe mahefa. Mangataka ihany koa ny fokonolona mba hanampiana isa ireo paompin-drano, satria mampitombo isa ny mpampiasa rano.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici