- Publicité -
vendredi, juillet 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIkongo : Olona 11 navadiky ny lakana, vehivavy roa tsy hita faty

Ikongo : Olona 11 navadiky ny lakana, vehivavy roa tsy hita faty

Nitera-doza nahafatesana olona ny vokatry ny andro ratsy tany amin’ny Distrikan’ Ikongo. Olona miisa 11 nitaingina lakana mpitatitra iray no nivadika tao amin’ny reniranon’i Sandragnata, ny talata teo, tokony ho tamin’ny firo ora maraina. Noho ny fiaraha-mientan’ny Fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, dia avotra soa aman-tsara ny mpandeha sivy, izay mpianatry ny CEG ao Ikongo ny telo tamin’ireo nieren-doza tra-bonjy. Fa tsy mbola hita popoka hatreto ny vehivavy rendrika tamin’ity lakana dobo an-drano ity. Raha ny fampitam-baovao voaray, dia handeha hamonjy ny asa aman’ andraikiny, toy ny isan’andro avokoa ireto olona ireto izao tra-doza izao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici