- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversIkongo : Sinoa 13 nosamborina, nitrangaka volamena tsy ara-dàlana

Ikongo : Sinoa 13 nosamborina, nitrangaka volamena tsy ara-dàlana

Ny sabosy lasa teo, teratany sinoa miisa 13 no indray nosamborin’ny zandary sy polisy tany amin’ny « carrière » iray any amin’ny disitirikan’Ikongo. Nisy mpiasan’ny Rano sy ny Ala niaraka tamin’izy ireo. Voalaza fa mitrandraka volamena nefa tsy manana taratsy ara-dàlana ireto vahiny ireto.  Rehefa nohadihadiana ihany koa, tsy manana taratasy fahazoan-dalana hijanona eto Madagasikara akory ireto olona ireto. Ankoatra izany, hita tao amin’ny toerana niasany ny fitaovana lehibe toy ny bildozera miisa valo sy vedety telo nampiasain’izy ireo. Amin’izao fotoana izao dia misy mpitandro filaminana miambina ilay toerana. Ireo Sinoa kosa dia nentina any amin’ny biraon’ny zandary any Manakara atao famotorana lalindalina kokoa. Noraisina moa izao fanapahan-kevitra izao hiadiana indrindra amin’ny fitrandrahana harena an-kobon’ny tany zary lasa gaboraraka eto amintsika. Tsy any amin’iny faritra iny ihany mantsy no misy izany fa saika manerana ny toerana maro.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser