- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversIkongo : Vaky ny fonja, nisy mpiambina natao takalon'aina

Ikongo : Vaky ny fonja, nisy mpiambina natao takalon’aina

Fitakiana fitsaram-bahoaka no niandohan’ny raharaha, raha araka ny vaovao marim-pototra sy nohamarinina tamin’ny olom-boafidy. Nisy andian’olona nitaky ny hamoahana ny olona tazomina am-ponja miisa roa. Izy ireo, raha araka ny fanamarinam-baovao hatrany, dia voarohirohy tamin’ny heloka bevava nitranga tao an-toerana. Nisy feo nandeha anefa fa hoe nisy nahita ireo olona ireo niriaria taty ivelany. Io no heverina fa nitarika ny hetsik’ireo andian’olona, izay sady nitady ny hanamarina an’izany no koa nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka raha toa ka tena mbola tazomina ao tokoa ireo olona roa. Ny olana dia tao anatin’izay hetsika izay no nanararaotra nitsoaka ny voafonja tao amin’ilay toerana. Miisa 120 tamin’izy ireo omaly maraina no tafavoaka ny fonja. Tsy izay ihany ny zava-nitranga, satria tao anatin’ny sakoroka dia nisy mpandraharahan’ny fonja nalain’ireo olona an-keriny. Mazava ho azy fa hatao takalon’aina ny tanjon’izy ireo tamin’izany. Nitodika tampoka tany Ikongo ny mason’ny mpanara-baovao omaly, satria toe-javatra maro no indray mitranga ary miendrika fikorontanan’ny firenena : fitakiana fitsaram-bahoaka, famakiana fonja, fitsoahan’ny gadra. Ary ny tena ratsy indrindra dia ny fisian’ny mpiandry fonja izay lasa…andrasan’ny jiolahy. Betsaka ny zavatra azo eritreretina momba ity tranga ity ka tokony hitadiavam-bahaolana maharitra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici