- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIkongo : Zazavavy kely varira nokasaina hamidy 100 tapitrisa ariary

Ikongo : Zazavavy kely varira nokasaina hamidy 100 tapitrisa ariary

Ny rainy, niaraka tamin’ny olona roa hafa, no efa voasambotra. Mbola eo am-pikarohana ireo mpiray tsikombakomba tamin’izany fikasàna hamarotra olona izany kosa ireo zandary amin’izao fotoana izao.

Mampalahelo ! Raha tsy nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ireo zandary, nahatsikaritra ny zava-niseho ary nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany dia angamba efa tsy fantatra intsony ny nahazo ity zazavavikely varira ity. Araka ny fampitam-baovao azo mantsy dia ny rainy niteraka azy mihitsy no saika nivarotra izany zanany izany tamin’ny olona, izay voalaza fa sandaina 100 tapitrisa ariary tany ho any. Marihina, raha ny loharanom-baovao azo, fa efa kamboty reny ity zaza ity. Ny andron’ny alakamisy teo tokoa mantsy, raha tafara-dalana tamin’ny lehilahy iray mampiahiahy ny zandary roa tao Ikongo, avy namita iraka tany Fianarantsoa dia nahazo baiko avy hatrany ny hanara-maso azy ireo ary hanokatra avy hatrany ny fanadihadiana.

Vantany vao tonga tao Ikongo araka izany izy mianaka ireto dia nasaina nanatona ny biraon’ny zandary avy hatrany. Tamin’izany no nahafantarana fa zanak’ilay rangahy ihany ity zazakely varira ity. Saingy kosa, saika nitadiavana mpividy tany amin’iny distrikan’Ihosy iny izany zaza izany. Ny faramparan’ny volana oktobra teo no niala tao an-tananan’izy ireo tao Ambohipeno, kaominina Faniria, distrikan’Ikongo, ity zaza ity sy ny rainy, niaraka tamin’ny lehilahy roa hafa. Nolazain’ireto farany tamin’izay fa handeha haterina any amin’ny tobin’ny relijiozy any Fianarantsoa ilay zaza. Raha ny marina anefa dia tsy ho any velively no anton-dian’izy ireo fa handeha hifanao fotoana amin’ny olona, izay mety hividy ity zaza ity tany Ihosy. Angamba tsy raikitra tamin’ny ora farany ny fifanakalozana ka niverina tao Ambalavao indray ireto olona ireto ary nipetraka efatra andro tao. Tsy nionona tamin’izao anefa fa mbola nampitady olona izay izay sahy hividy ilay zaza varira. Tsy nahomby moa ny tetika ka dia nitodi-doha niverina nihazo an’Ikongo izy ireo, ary io nifanehatra tamin’ireto zandary ireto.

Notanana teo no ho eo ihany moa ilay rain’ilay zaza. Toraka izany ihany koa ny olona telo, mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo. Mbola mandeha kosa ny fanadihadiana isan-karazany any an-toerana, hitsimponana tsirairay ireo izay mety ho mpiray tendro tamin’izao trafikana zaza varira izao araka ny fampitam-baovao azo. Ilay zaza kosa raha ny fantatra dia efa noraisin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny an-tanana, miaraka tamin’ny fianakaviany akaiky.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici