Nihorohoro tanteraka ny olona nahita, omaly. Ny razana roa dia hita tao ambany tetezan’Ampasika, lehilahy avokoa izy ireo ary efa simba ny vatany. Ny roa hafa indray dia tetsy amin’ny mifanandrify amin’ny reniranon’Ikopa izay mifanandrify amin’Ambohitrimanjaka. Ireo indray dia lehilahy sy vehivavy ary heverina hatreto fa mpivady. Inona ny zava-nitranga ? Ireo razana roa voalohany, na dia efa manomboka simba aza, dia samy mbola nisy dian-dratra ary koa nivonto ny lohany. Raha tombanana araka izany dia mety ho novonoina tany amin’ny toeran-kafa ireo vao nariana tao ny fatiny avy eo. Efa nitranga im-betsaka rahateo izany fanao ratsy izany, hany ka mby tao an-tsain’ny mponina eo an-toerana avy hatrany izay kisary izay raha vao nahita ireo razana izy ireo. Ny zava-nisy faharoa indray, tetsy Andranovaky-Ambohitrimanjaka, dia mbola tena baraingo tanteraka. Indrindra koa raha mbola samy tsy nisy hita ny fianakavian’ny maty. Iraisan’ireo razana efatra rahateo omaly ny mbola tsy nahafantarana ny fianakaviany. Ny zandary no nidina an-tsehatra teny amin’ireo toerana roa ary nanao ny fijerena ifotony mba hahafahan’izy ireo manao tatitra an-taratasy ary koa ny fanokafana fanadihadiana. Mbola eo amin’ny tombana avokoa aloha izany hatreto ny amin’ny antony nitarika ny fahafatesan’ireo olona ireo. Maty an-drano nandritra ny fiakaran’ny rano ve ? Maty nandritra ny fiampitàna rano tao anatin’ny rotsak’orana nisesy tao anatin’iny faran’ny herinandro iny ve ? Nisy namono dia natsipy tao ve ? Namono tena ve ? Ireo rehetra ireo rahateo dia efa nisy avokoa tamin’ny tantaran’ny reniranon’Ikopa. Na izany aza dia nampivarahotsana ny olona ny fahitàna faty tsiroaroa omaly ary na nifanalavitra aza ny toerana roa dia vetivety dia samy nahafantatra ny zava-nisy ny olona noho ny fielezan’ny resaka. Faty efatra amin’ny renirano iray, amin’ny toerana samihafa saingy hita tamin’ny ora mitovitovy. Mila valim-panadihadiana ny olona mba hampitony ny sainy…
D.R