- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversIkopa – Maevatanàna : Efa hita ny fatin'ilay olona lasan'ny rano teo ambony...

Ikopa – Maevatanàna : Efa hita ny fatin’ilay olona lasan’ny rano teo ambony lakan-kazo

Hita tamin’ny alarobia fahafiton’ny volana febroary lasa teo, ilay lehilahy antsoina hoe Mahalomba, nifampitadiavana nandritra ny andro maro. Ny fokonolona avy ao amin’ny fokontany Manganora, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa, no nahita ny razana efa tsy nisy ankanjo intsony, teo amin’ny sisin-dranon’Ikopa, izany hoe teo akaikin’ny tafian-dakana Manganora. Simba tanteraka vokatry ny tsy fahitana azy tao anatin’ny andro maro ny vatana mangatsiakan’i Mahalomba. Raha hiverenana ny tantara dia lasan’ny rano teny afovoany ny lehilahy. Nitondra lakan-kazo izy raha efa somary mamo sy nivilambina am-pandehanana, ka teo no nahatonga ny loza, ny zoma faharoan’ny volana febroary lasa teo iny, tokony ho tamin’ny 02 ora sy 40 minitra tany ho any, ary ny alakamisy fahavalon’ny volana febroary teo ihany no nalevina ny razana. Razana efa nisy fahasimbana sy nivoaka fofona.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici