Sady tsy mbola faheno no tsy fahita ny zavatra toy izao. Lehilahy iray indray mantsy no naratra mafy rehefa niady tamin’ny voay teny amin’ny ranon’Ikopa, any amin’iny kaominina Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny herinandro lasa teo. Teny an-tobim-bolamena handeha hilomamo namakivaky ny reniranon’Ikopa, izay hamonjy fiodiana ao Beanana, izy no sendra an’ilay voay tao anaty rano. Tonga dia namely nitifitra totohondry avy hatrany ranamana. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina sy sasany teo no nisehon’izany. Vokany: naratra voakaikitra ny feny ilany taorian’izay, ka lasa nitsoaka nandositra kosa ilay voaay raha ny fitantaran’ireo olona nahita tampoka ny zava-niseho. Taitra ny olona teny amin’ny manodidina raha nahita ny sakoroka tao anaty rano. Noezahina nentina namonjy mpitsabo ao amin’ny hopitaly « CSB II » ao Beanana kosa ilay lehilahy niady tamin’ny voay. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia efa manaraka fitsaboana ny lehilahy.
Ratantely