- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIkopa Maevatanàna : Lehilahy iray tsy hita, navadiky ny lakan-kazo.

Ikopa Maevatanàna : Lehilahy iray tsy hita, navadiky ny lakan-kazo.

Lehilahy iray fantatra amin’ny hoe Mahalomba, avy nivarotra  » charbon » teto Maevatanàna, nikasa hamonjy vady aman-janaka any Bemarivo andrefana, kaominina Maevatanàna faharoa, no tratran’ny loza an-dranomamy teny afovoan’ny ranon’Ikopa, teo ambonin’ny lakan-kazo. Raha ny fantatra dia efa somary nahazo toako ranamana. Sady nivilambilana ihany koa ny nitondrany an’ilay lakana, ka nahatonga azy navadiky ny lakana tampoka ny zoma faharon’ny volana febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy 40 minitra. Tsy hita izy hatramin’ny omaly. Tonga nampandre ny zandary tao Bemarivo andrefana ny olona sendra nahatazan ny loza teny ampita, ka nolazaina ihany koa ny vadiny, ny folakandron’ny 02 febroary. Talohan’izay dia efa nanao fikarohana ireo mponina, saingy tsy nahita vokatra. Namapandrenesina momba ity loza ity ny olona amin’ny kaominina rahavavy manodidina sy manamorona ny reniranon’Ikopa. Ahiana ho efa namoy ainy io lehilahy io, raha ny fitantaran’ireo mponina any an-toerana. Manahirana ny fikarohana azy noho ny velaran’ny rano nisehoan’ny loza.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici