
Maro no nahita satria amin’ny fotoana maha-betsaka mpandalo teo an-toerana izany. Teo ambany tetezan’i Tanjombato no niseho ilay famonoan-tena. Manodidina ny tamin’ny iraika ambiny folo ora maraina no nisaoty tao ilay lehillahy sahabo ho telopolo taona. Raha ny filazan’izay nahita ny zava-nisy dia niresaka tamin’ny olona tamin’ny findainy aloha izy ary tampoka teo dia nanapa-kevitry ny nisaoty tao Ikopa. Teo ihany koa dia efa tsy hita intsony izay nisy azy, ny rano rahateo niakatra noho ny orana nifanesy tato ho ato. Raha noeritreretina ho natsingevan’ny rano dia tsy izany velively no niseho fa nilentika tany ambany tany aza ilay lehilahy. Tsy nisy sahy nanavotra ny olona satria efa fantatra ihany laza ratsin’Ikopa. Efa be loatra izay namoy ny ainy tao izay. Niandry ny mpamonjy voina niditra an-tsehatra. Feno olona tanteraka ny tetezan’i Tanjombato satria liana izay nahalala ny zava-nitranga ary liana koa raha ho avotra na tsia ilay lehilahy. Natao ny fikarohana rehetra ary tsy dia naharitra ela dia hitan’ny mpamonjy voina avy amin’ny fitsofohana lalina tao anatin’ilay rano ilay lehilhahy, saingy efa vatana mangatsiaka sisa no tafavoaka tao. Hatreto dia heverina fa olana ara-pitiavana no anton’ity famonoan-tena izay tsy voalohany teo amin’io toerana io ity. Sady nalahelo ny olona raha nahita ilay razana no tonga saina tamin’ny fahasahian’ilay olona izay vao fotoana fohy talohan’io no hitan’izy ireo velona aina ary nandeha teo amin’ny tetezana.
D.R