- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversIkopa : Nisy namono tena indray

Ikopa : Nisy namono tena indray

Rangahy iray manodidina dimampolo taona no nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopa izay manamorona an’i Saropody-Ivanja. Tsy fantatra izay antony, fa amin’ny andro antoandrobe no nisaoty tampoka tao anatin’ny rano mandeha izy, ary dia nilentika tao. Teo imason’ny mpanasa lamba marobe izany no nitranga, saingy tsy nisy nieritreritra fa handeha hamoy fo ilay rangahy fa noheverina ny handeha hisasa sy hanasa ny fitafiany izay feno loto kosa. Samy niezaka teo ny vatan-dehilahy ny nitady azy kanefa tsy afaka nanoatra noho ny halalin’ny rano sy ny fandehany. Nantsoina ny mpamonjy voina ary hita ihany ny razana, adim-pamantaranandro telo taty aoriana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici