- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversIkopa : Razana efa simba natsingevan’ny rano !

Ikopa : Razana efa simba natsingevan’ny rano !

Mbola nahitàna fatin’olona indray teo amin’ny reniranon’Ikopa omaly. Razana efa potika, ny karan-dohany aza efa natsingevan’ny rano, no hitan’ny olona. Hita teo ihany koa ny vatany ary mbola misy akanjo. Teo amin’ny mifanandrify an’Anosizato no nahitàna ity tranga nahatsiravina ny maro ity. Lehilahy izy io rehefa notsirihan’ny manam-pahaizana. Ny akanjony rahateo sy ny bikabikany dia mifanandrify tsara amin’ny tombatombana. Lasa fanariana faty sy famonoana tena ve Ikopa? Tsiahivina fa vao afakomaly ihany koa, ary nivoaka tamin’ny gazety aza izany, no nisy fatin’olona roa samihafa hita tamin’ny toerana roa samihafa. Samy lehilahy avokoa izy ireo. Ny voalohany dia tombanan’ny olona ho niady tamin’ny vadiny dia namono tena avy eo. Ny faharoa kosa dia mbola tanora, 21 taona, ary tsy mbola fantatra izay tena antony nahitàna azy maty tao Ikopa. Faty telo tao anatin’ny roa andro. Mampieritreritra…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser