- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversIkopa : Tovovavy 16 taona maty nitsoraka tao

Ikopa : Tovovavy 16 taona maty nitsoraka tao

Mbola tsy tena maizina manodidina ny tamin’ny dimy ora sy sasany no nitranga ity famoizam-po ity. Tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy lera mbola ifanaretsahan’ny besinimaro rahateo no nisian’ilay tranga, omaly tetsy Tanjombato. Nitsambikina tao ambany tetezana ilay tovovavy 16 taona. Koa satria betsaka ny nahita mivantana izany dia mba samy niezaka nifanome tanana nitady  azy tao. Tsy hita nandritra ny fotoana ela ny vatany na dia teo aza ny fiezahana ny hisintona azy. Noheverina teo fa nilentika tany ambany be ilay tovovavy ary mety notatazan’ny vato koa ny lohany. Tsy niala teo mihitsy ny olona izay sady ontsa raha nahita ny zava-nisy. Niandry ny razana nipoitra natsingevan’ny rano izay vao lasa tsikelikely. Tsy vitan’izany aza fa saika nianjera tany amin’ilay tovolahy izay voalaza fa sakaizany indray ny hatezeran’ny olona. Soa fa tonga ny polisy raha nandre ny zava-nitranga ary ireo no nitondra ilay tanora tany amin’ny biraon’izy ireo. Ny mpamonjy voina kosa indray, raha araka ny fanazavan’ny olona teny an-toerana, dia adiny iray latsaka taorian’ny famoizam-po no tonga teny an-toerana. Efa betsaka izay maty tao Ikopa izay, indrindra tao ambanin’io tetezan’i Tanjombato io. Nisy fotoana aza dia nisesisesy mihitsy izany ary lasa toerana fidian’ireo mpamoy fo io tetezana io. Eto amintsika dia tsy mbola misy ny sampana mandray ny olona nikasa hamoy fo ka mamerina azy ireo amin’ny laoniny. Toraka izany ihany koa, tsy mbola tena mivalampatra eto ny fisian’ny mpitsabo saina, na ny « psychiatre » ary tsy ao anatin’ny kolontsaintsika rahateo izany hoe hanatona mpitsabo rehefa misy olana tsy zaka. Mijanona eo amin’ny namana sy ny toaka ihany ny fitadiavam-bahaolana ho an’ny sasany ary rehefa tena tsy zaka dia mizotra any amin’ny famoizam-po. Matoa anefa misy ny manam-pahaizana manokana momba izany dia tokony mba hatonina izy ireo. Isan’ny fitaizana izay tokony hatao izany mba tsy hahamaro loatra ny olona mamoy fo amin’ny fiainana. Zon’ny olona ny miaina milamina ary zony ihany koa ny ampiana raha misy olana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici