- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversIkopa : Vehivavy maty niboridana natsingevan’ny rano

Ikopa : Vehivavy maty niboridana natsingevan’ny rano

Misy dian-dratra ny lohany. Miboridana tanteraka ny vatany. Izany no hitan’ny olona vao maraina teo amin’ny ranon’Ikopa mifanandrify an’Ankadievo. Raha ny fihevitry ny olona dia nentin’ny rano izy ary mety ho tany Ampamantanana no novonoina ka natsipy anaty rano. Olona mipetraka eo Ankazolava izy, toerana izay tsy mifanalavitra loatra ny nahitàna ny razana. Nalevina ny alahady teo ary namela kamboty. Noraisin’ny polisy misahana raharaha momba ny heloka bevava ny fanadihadiana. Natal ihany koa ny fitsirihana ny razana izay raha ny hita maso aloha dia azo eritreretina fa novonoina ho faty ilay ramatoa. Ny valim-pitsirihana ny razana no mety hamaritra na tsia ny amin’ny hoe nialohavana fanolanana na tsia ilay fahafatesana. Eny Ankazolava dia miely ny feo fa miverina indray ity resaka fikapohana olona amin’ny « bois rond » ity. Toe-javatra izay nahafaty olona maromaro teo amin’ny fokontany manodidina teo tany amin’ny 2016 tany. Ireo mpiasa amin’ny orinasa afaka haba ka mandeha vao maraina no tena manahy ny ainy rehefa misy ny toa izao. Izy ireny hatrany mantsy no matetika lasibatra tamin’izany fotoana. Mbola teo an-toerana koa no nandrenesana fahitàna fatin-jazavavy vao 10 taona monja izay azo heverina ho nisy nanolana. Naterina eny amin’ny tranom-paty izy io ary ny fiaraha-monina no nifanentana ny mba handehan’ny ray aman-dreny very zaza eny sao sanatria izy ilay tsy hita. Manomboka mitaintaina ny olona amin’ity fahitàna razana mifanesy ity tamin’ny herinandro lasa teo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici