Lasa ny vola mitentina iray tapitrisa ariary ary lasa koa ny fahitalavitra manify. Tsy nionona tamin’izany ireo olon-dratsy fa hatramin’ny kavina volamena izay mbola teny amin’olona aza dia nalain’ireo. Izany no nitranga tetsy Andrefan’Ankadikely ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Miisa dimy ireo olon-dratsy ary mitazona basy avokoa raha araka ny fanamarinam-baovao natao. Matetika iverenan’ny mpanao fanafihana mitam-piadiana iny faritra iny ka ny toeram-pivarotana no tena matetika iharan’izany. Ireo mpivarotra enta-madinika no tena nijafajafa satria nisy fotoana niverimberenan’ireo matetika. Amin’ny ora fikatonan’ny tsena iny ireo olon-dratsy no tonga ary tsy misalasala mihitsy manapoaka basy mba hampitahorana ny olona tsy hiditra an-tsehatra. Matetika mantsy dia mbola ao anatin’ny fifamezivezen’ny olona ny fotoana hanatontosan’ireo ny fanafihana. Ny tsikaritr’ireo mpivarotra dia misy iray tena ranjanana amin’ireo mpanafika ary isaky ny mitranga ny fandrobàna dia eo hatrany io lehilahy io. Hatreto anefa dia tsy mbola fantatra ny momba azy ary asa raha mbola nandray anjara koa tamin’ity fanafihana tokantrano farany tetsy Andrefan’Ankadikely ity. Lasa mody aloha ny olona ankehitriny raha vao manomboka maizina ny andro noho ny fahatahorana olon-dratsy ary amin’izao ririnina izao aza dia aloha be dia efa matory ny tanàna. Miandrandra fatratra ny olona ny mba hanamafisana ny fandriam-pahalemana satria toa tsikaritry ny jiolahy fa mora amin’izy ireo ny manao ny asaratsiny. Isak’izay tonga eny ireo dia mahazo izay ilainy hatrany. Ankoatra ny fidinana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana dia ilaina hatrany ny fiaraha-mientan’ny mponina amin’ny fiarovana ny tanàna mba hiverenan’ny fandriam-pahalemana.
D.R