Teo Manjaka-Ilafy no nisehoan’ilay fanendahana. Voadaroka ary naratra mafy, indrindra teo amin’ny faritry ny lohany ny DJ Coco. Io farany dia mpampandihy sy mpanentana lanonoana ankoatra ny fiasany amin’ny onjam-peo. Raha adika tsotsotra dia tena mivelona sy matihanina amin’ny filalaovana kapila mangirana na « Disc Jockey » (DJ). Io fitaovany io mihitsy no lasan’ireo jiolahy nandritr’ity fanendahana tetsy Ilafy ity. Isan’izany ny vata filalaovana kapila mangirana sy ny solosaina. Lasa hatramin’ny finday. Raha ny sabotsy no niharan’ity fanafihan-jiolahy ity izy, ireo namanay ao anatin’ny sehatra kosa, ny alahady dia efa niezaka nifampizara vaovao sy nanao filazàna. Mahakasika indrindra ny fanentanana izany raha toa ka misy mivarotra ireo entana halatra dia mba hifampandre avy hatrany. Ireto avy izany fitaovana izany : « platine » miloko mainty sy solosaina miloko volondavenona. Tsy misy afa-tsy ireo mety ho mpikirakira kapila mangirana ihany mantsy no mety hamarotan’ireo olon-dratsy an’ireo satria tsy hain’ny olon-tsotra velively ny hampiasa ny fitaovana. Eo indrindra no mila fahamailoana ireo mety ho mpandray entana sao hiharàn’ny fanenjehana noho ny fividianana entana halatra.
D.R