- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversIlafy : Mpangalatra akoho saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ilafy : Mpangalatra akoho saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tena efa leon’ny tsy fandriampahalemana avokoa ny mponina amin’ny faritra maro eto amintsika, indrindra ny mikasika ireo mpangalatra. Vao omaly teny amin’ny fokontany Ilafy, nisy olona iray tratran’ny olona nangalatra akoho.  Rehefa voasambotra izy io dia  nampilazana ny tao amin’ny fokontany. Nandray ny andraikiny ireo farany. Nentina tao amin’ny birao ilay mpangalatra.  Vetivety anefa dia nahoraka teo an-tanana ilay halatra. Nanomboka nitangorona teo anoloan’ny birao ny rehetra. Nisy ny nitabataba ny hamoahana ilay mpangalatra “atao amin’ny fanaovana azy”. Mailo kosa anefa lehiben’ny fokontany ka niantso ny mpitandro filaminana. Vetivety ihany dia tonga teny an-toerana ireo farany ary afaka nanaparitaka ireo olona efa tena maimbo rà.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser