Nodimandry omaly Ranaivoson Rivo, mpamonjy voina etsy Tsaralalàna, izay teo am-panaovana ny asany no niharan-doza tampoka. Raha araka ny fantatra dia nisy lavadrano nihotsaka teny Ankadikely-Ilafy. Tavela tao anatiny ny maotera izay mpampiakatra rano. Nanoloana an’izany dia niantso ny mpamonjy voina teny Tsaralalàna ny tompon’ny lava-drano. Niditra an-tsehatra i Rivo satria “plongeur” ny fahaizana manokana norantoviny. Vao tafiditra tao anatin’ilay lavadrano anefa izy dia nihotsaka fanindroany indray ny tany ka nanototra an’izany. Nifamonjena ny fanalana ny tany. Raha ny fanazavana azo teo anivon’ny mpamonjy voina dia nanomboka tamin’ny telo ora tolakandro no nanomboka izany. Ny harivariva vao hita ny vatana mangatsiakan’i Rivo, maty teo am-perinasa. Tonga teny an-toerana ny solontenan’ny fianakaviam-ben’ny mpamonjy voina naka ny razana. Ankoatra ny alahelo dia nivohitra tamin’ny resadresaka tety amin’ny sisiny ihany koa ny momba ny tambin-karaman’ny mpamonjy voina : 1.800 ariary isam-bolana. Izany hoe raha hatao ny kajikajy tsotsotra dia 60 ariary latsaka kely isan’andro ny tambin-karama omen’ny fanjakana ny mpamonjy voina, asa izay mihatra aman’aina isan’andro…
D.R