Hatairana ny an’ireo fianakaviana tompom-pasana, eny amin’iny faritra Andranovelona Ilafy iny, ny alakamisy lasa teo. Raha niomana ny hamadika mantsy izy ireo, dia fasana efa nivoha no niandry azy ireo. Nikorontana tsy nisy nahafantarana azy intsony ireo razana rehetra tao anatin’ity fasana ity. Rehefa nojerena akaiky, dia saika lasa avokoa ireo taolan-davan’ireo olona nilevina tao. Ny karan-doha sy ny ireo taolan-tratra sisa no hany navelan’ireo mpangalatra taolam-paty. Raha ny fanazavana nomen’ireo fianakaviana, dia omaly izy ireo no saika hanatanteraka famadihan-drazana teny an-toerana. Ny omalin’io, izany hoe, ny alakamisy teo no tonga teny amin’ny fasana izy ireo saika hanadio. Samy gaga avokoa anefa ireo vatan-dehilahy tonga teny, fa toy ireny efa nangadiana ireny varavaram-pasana. Ka rehefa nojerena akaiky dia efa tena nihilana ny varavaram-pasana. Teo vao samy taitra ny rehetra. Avy hatrany dia nantsoina ny tompon’andraikitra ; izay nahitana ny zandary ao Ilafy, niampy ny Sefo fokontany, tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy. Tamin’izany no nahitana fa saika efa tsy teo intsony ny ankabeazan’ireo taolana lava rehetra. Raha ny fanazavana azo, dia maromaro ireo taolana very. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava hoe oviana ity fasana ity no nisy namaky ? Ireo mponina teny an-toerana sy ireo fianakaviana ihany kosa tsy nahatsikaritra velively ny fisian’izany vaky fasana izany, raha tsy tamin’ity andron’ny famadihana ity. Efa mipetraka foana ny fanontaniana, atao inona taolam-paty ? Raha tsiahivina kely ihany koa mantsy, volana maromaro lasa izay, dia nisy nanary taolam-paty maromaro ; izay taolan-dava avokoa, teo amoron’araben’ Ankadikely Ilafy. Mety hisy hifandraisany ve ? Dia tsy fantatra intsony. Fa raha ny an’ireto fianakaviana lasibatry ny halatra taolam-paty ireto aloha, dia tsy nisy afa-tsy ambin-taolana sisa no nofonosin-damba.
m.L