- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversIlaka Centre : Basy lava vita gasy roa saron’ny zandary

Ilaka Centre : Basy lava vita gasy roa saron’ny zandary

Mitohy hatrany ny hetsika ho famongorana ny asan-jiolahy ataon’ny zandary amin’izao fotoana izao. Porofon’izany, basy vita gasy roa, izay saika hanaovana fanafihana no saron’ny zandary tany amin’iny faritra Amoron’i Mania iny ny faran’ny herinandro lasa teo, tao Ilaka Centre. Lehilahy roa no sarona tamin’izany. Araka ny fampitam-baovao dia mahimahina ny lehilahy iray raha vao nahita zandary. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavàna ireto farany ary tamin’izany no nahitàna basy gasy iray niampy bala sivy. Tamin’ny famotorana no nilazany ny namany. Nosamborina avy hatrany ity farany, ary tao an-tranony dia mbola nahitàna basy gasy iray sy bala roa. « Na eo aza ireo ondry sasany izay mania, vitsy an’isa, izay efa nandraisana fepetra hentitra, ary mbola handraisana fepetra henjana raha sanatria mbola misy minia mandika lalàna dia tsy sasatra ary tsy kivy ny manohy ny asa nankinina taminy amin’ny fisorohana ny tsy fandriam-pahalemana hatrany ny maro an’isa amin’ireo miaramilan’ny Zandarimariam-pirenana ary mbola maneho ny fahavononany hiroso hatrany amin’ny fiarovana ny mpiray tanindrazana sy ny fananany » hoy ny vaovao

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici