Ny savily no nesorin’ireo olon-dratsy ary nahafahany niditra tao amin’ilay trano fivavahana. Ny fiangonana katolika Md Joany Batista ao Ambalatany, Ilaka-Centre no vaky. Lasa tao avokoa ny fitaovana fanamafisam-peo izay ampiasain’ny fiangonana amin’ny fotoam-pivavahana. Hatramin’ny lamba « rideau » aza dia nobatain’ireo koa. Asa mba inona loatra ny tanjon’ireo olon-dratsy. Fantatra koa mantsy fa nentin’ireo nanaraka azy koa ny voninkazo rehetra ary ny lamba latabatra. Mety hoe nisy vehivavy angamba tao anatin’ity ekipa mpangalatra ity? Misesy tato ho ato ny fanafihana toeram-pivavahana ary saika mitovy hatrany ny fitrangany. Ny « sonorisation » no tena ataon’ireo jiolahy lasibatra. Misy ny mijanona amin’ny halatra ary misy koa ireo sady misotasota amin’ny fiangonana. Isan’izany ny fanakorontanana ambony ambany ny fitoavana ao anatiny, indrindra ny hotely masina. hatreto, mbola tsy nisy ny olona voasambotra amin’ity raharaha ity na olona ahiahiana. Mikasa ny hametraka fitoriana tao aorian’ity fanafihana ity ny fiangonana voakasiky ny fandrobana sy fanafihana. Andrasana ny ho tohin’ny raharaha.
D.R
Misy « hotely » ve any am-piangonana? Sao mba Otely na altara no nisy fitaovam-pivavahana?..