- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : « 4x4 accidenté », nahafatesana afrikana 1 sy malagasy 1

Ilakaka : « 4×4 accidenté », nahafatesana afrikana 1 sy malagasy 1

Mitohy hatrany ny trangana lozam-pifamoivoizana eto amin’ny firenena. Afrikana iray sy malagasy iray indray no namoy ny ainy nandritra ny loza nitranga tamina fiara tsy mataho-dàlana ny asabotsy teo tany Andohanilakaka, anelanelan’i  Manombo be sy Ilakaka.  Raha ny fanazavana azonay, dia ity afrikana namoy ny ainy ity no tompon’ilay fiara izay marihina fa anisan’ireo vahiny mpividy vato any Ilakaka ihany. Ilay gasy kosa dia mpanao aferam-bato niaraka taminy. Tsy fantatra mazava izay tena nahatonga ny loza. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso, dia efatra izy ireo no tao anatin’ilay fiara fa ny roa hafa kosa avotra soa aman-tsara ihany na dia teo aza ny dona mafy nahazo azy ireo. Anisan’izany ny lefitry ny Ben’ny tanànan’ Andohanilakaka izay nanara-dia ireto mpitrandraka sy mpanao aferam-bato ireto. Efa tonga teny an-toerana moa ny mpitandro ny filaminana nanao ny fizahana sy ny famotorana rehetra.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici