Vao tamin’ny herinandro lasa teo, no nisy fidinan’ny manampahefana maro tany Ilakaka, noho ny fisian’ny olona maty voatifitra sy ny fitrandrahana ao Bepeha, faritra arovana, izao koa dia efa misy miverina manao izany fitrandrahana tsy ara-dalàna izany indray. Omaly, nisy safira nivoaka tao an-toerana ary azo sary mihitsy aza. Nanaporofo tanteraka ny mbola fisian’ny olona miditra ao anatin’ilay faritra arovana sy mitrandraka vato eo anivony. Efa mazava ihany koa izany ny fisian’ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpiandry ilay toerana, satria nanomboka tamin’ny herinandro teo dia ny mpitandro ny filaminana no niandraikitra an’izany, fa tsy ny VOI izay rehefa nanao kolikoly mandray “écolage” tamin’ny mpitandraka isan’alina dia notsoahina teo. Ankoatr’izay dia fantatra koa ny fitsoahan’ny vazaha iray tao an-toerana rehefa nandeha ny fanadihadiana, ka voatonona ny anarany ho isan’ny mpandray ny vato nalaina an-tsokosoko ao Bepeha. Nisy ny nahazo 4X4 kolikoly tany aminy tao anatin’izany lalao maloto izany, raha araka ny fanazavan’ny vavolombelona. Omaly dia efa azo sary ny safira sy ny “ranon-tany” izay mbola mety misy vato hafa rehefa sivanina. Efa fantatra ihany koa ny vazaha mpandray an’izany ary anio no hilaza hanao ampamoaka ny vavolombelona maromaro ao Ilakaka, momba ity halatra eo anivon’ny faritra arovana ity. Ny fidirana eo anivon’ny faritra arovana sy ny fitrandrahana eo anivony izay voasokajy ho heloka bevava raha araka ny fifanarahana CITES izay nankatoavin’i Madagasikara. Arahina akaiky ny raharaha…
D.R