- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : Espagnol telo nahiana ho nitondra cocaïne

Ilakaka : Espagnol telo nahiana ho nitondra cocaïne

 Nosavaina nandritry ny adiny iray latsaka kely ireo vazaha (sary tahiry)
Nosavaina nandritry ny adiny iray latsaka kely ireo vazaha (sary tahiry)

Nilaza ny pôlisy, rehefa nanontanian’ny olona, fa nahazo « renseignement » avy amin’ny mpanera iray ao Ranohira izy ireo ny amin’ny hoe mitondra rongony ireo vazaha.

Tsy nisy tsy vaky vava ny mpandeha rehetra sy ny mponina teo amin’ny manodidina an’ Andohan’ Ilakaka amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, ny zoma antoandro lasa teo, tokony ho tamin’ny iray ora, nahita ny fihetsika tsy mendrika nataona polisy roalahy nandrindra ny fifamoivoizana.  Mpizahantany telolahy teratany Espagnola nandeha taksiborosy niditra tao Ranohira ho an’i Toliara no nosoketahina ho nitondra « cocaine » ka nampidinina tamin’ny fiara nitondra azy teo Ilakaka ary nosavaina tamin’ny fomba mamoetra ny sakaosy sy ny fitoeram-bola tany amin’izy ireo sady natsipitsipy ny entana tao anatiny. Naharitra adiny iray latsaka kely ny fisavana. Tsy nahitana zavatra nampiahiahy na rongony mahery vaika tamin’ireo vazaha.

Nilana vaniny. Tsy afa-po ireo polisy roalahy fa mbola nila vaniny tamin’ireto vahiny mpizahantany. Nanomboka niakatra afo ny mpandeha rehetra tara dia nahita izany ary nangataka fanazavana tamin’ireo polisy. Nilaza ireto farany fa nahazo « renseignement » an-telefaonina avy amina mpanera iray ao Ranohira hono izy ireo fa mitondra rongony ireo vazaha. Samy niloa-bava izay nanatri-maso ity tranga ity ny zoma antoandro teo tao Ilakaka. « Tsy fahafehezana ny asa ve sa ny fitiavam-bola no diso tafahoatra ? » Ny fihetsika tsy voahevitra toy izao ataona mpitandro filaminana sasany tsy maty voalavo an-kibo zatra ny lalan-dririnina no mandratsy endrika amin’ny ankapobeny ny fianakaviamben’ny mpitandro filaminana eto amintsika ary mampihena ny fahatokisan’ny vahoaka azy ireo tato ho ato. Ny toy izao ihany koa no ilazany any ivelany fa tsy fanajana ny zon’olombelona ny bebaoty eto Dago manampatra fahefana, mila vaniny tsy amin’antony !

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser