- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : Fiara nitondra mpivarotra vato nisy nitifitra

Ilakaka : Fiara nitondra mpivarotra vato nisy nitifitra

Niainga teo Ilakaka ary handeha hody any Sakameloka, no nisy nitifitra ny fiara iray « peugeot 405 », ny alin’ny asabotsy teo. Raha araka ny fantatra dia avy nivarotra vato ireo olona maromaro tao anatiny no io nisy nitifitra io. Ny mpamily mihitsy no nokendrena tao anatin’izany, saingy nahay niala izy ka tsy voa. Vokatr’izany kosa anefa dia nifatratra tany anaty hady ilay fiara. Nahita izany ireo olon-dratsy, dia niala teo an-toerana fa tsy nanafika intsony. Olona iray no tena naratra mafy vokatr’ity fikasana hanafika ity. Tsy fanendahana sy halabotry loatra intsony no mitranga ao amin’ity tany izay manankarena ity, fa asan-jiolahy efa amin’ny endrika hafa mihitsy. Ny fitsikilovana izay vao avy nahazo vola tamin’ny fivarotana vato sy ny fidirana an-tsokosoko avy amin’ny alàlan’ny kolikoly ao anaty faritra arovana mba hitrandrahana izay harena ao no tena matetika miseho. Mifamono mihitsy ny olona izay tsy voatery ho olon-tsotra samy olon-tsotra fa matetika olon-tsotra sy manam-pahefana vokatr’izany fiarovana ny faritra arovana sy fidirana an-tsokosoko izany. Efa nisy ny maty ary voatery nanaovana fombafomba mba hampilamina ny fiarahamonina. Teo ihany koa ny namadihana ny faritra arovana ho fady mba tsy ho azon’iza na iza hidirana intsony. Saingy mbola samy mangetaheta ny hahazo safira hatrany ny  olona ka samy manao izay fomba rehetra hidirana ao. Izay mahalafo indray avy eo dia efa misy manara-maso ny làlany ka raha tsy mailo tsara dia tafihan’ny jiolahy. Toa ny zava-doza saika nanjo ireo olona tao anaty fiara 405 ity. Midika hatrany izany rehetra izany, fa mbola mafana ny tsifandriampahalemana any Ilakaka, saingy amin’ny endrika hafa no isehoany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser