- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : Jiolahy manao saron-tava mena mampihorohoro

Ilakaka : Jiolahy manao saron-tava mena mampihorohoro

“Mitazona basy kalachnikov ary manafika avy hatrany ireo jiolahy izay manao saron-tava miloko mena sady manao fanamiana miaramila.” raha araka ny fanazavan’ny mponina ao an-toerana. Ny alin’ny alahady teo, manodidina ny tamin’ny valo ora sy sasany, no fanafihana farany nataon’ireo raha efa nisesisesy izany tamin’ny volana febroary. Tao amin’ny fiantsonan’ny fiara tao Ilakaka izy ireo no nigadona ary namoaka ny basy. Nahatsikaritra an’izany ny mpiambina ny “barrière” ary nifampitolona taminy teo. Raha nahita ny basy anefa itsy voalohany dia lasa nitsoaka nanavotra aina. Tsy nisy azon’ireo mpanafika araka izany. Iray volana lasa izay dia olona telo ary misaron-tava mena no sady mitondra kalachnikov ihany koa, no nandroba tokantrano iray tao Ilakaka. Vola mitentina 600.000 ariary no very tamin’izay fotoana izay. Koa satria tanàna kely ity toerana ity dia vetivety foana dia niely ny vaovao mahakasika ny fisian’ireto jiolahy manao saron-tava mena ireto. Omaly alina aza dia nisy nilaza fa nahita azy ireo nihaodihaody tao an-tanàna indray. Kely araka ny efa voalaza teo Ilakaka ka raha tena atao savahao ny mpampihorohoro toa izany avy amin’ny alàlan’ny fandrika, dia mety ho sarona vetivety ihany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser