Farany, tratran’ny polisy tany Ranohira ihany ny lehilahy iray eo amin’ny 53 taona eo voalaza fa mpisoloky gaigilahy mihitsy. Olona am-polony mantsy no efa voarebirebiny tamin’izany ary izay voa dia nitondra faisana mihitsy. Nilaza fa manana havana miasa amina ambasady iray ka mahatafita tovovavy ho lasa « hotesse de l’air ». Tsy vitan’izany fa mitonona ho mpiasan’ny ladoany koa ny anao lahy ka afaka mamoaka entana indrindra ny mahakasika ny « informatique ». Dia maro no roboka. Izay tsy tratrany amin’izany dia ampiresahany indray amin’ny hoe, mopera izy. Mandeha etsy sy eroa ity lehilahy ity mitady fanampiana. Avy eo indray, milaza fa pasitera ao amina fiangonana zandriny iray. Dia voambaka avokoa izay mihaino azy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa mampiasa telefonina hatrany amin’ny folo ity lehilahy ity. Mahita izany fitaovana be dia be eny aminy ny rehetra dia roboka amin’izay lazainy. Rehefa voasambotra izy ka nohadihadiana dia niaiky ny zavatra rehetra nataony, hoy hatrany voavao voaray. Tany amin’iny faritra iny no tena nanaovany an’izao fisolokiana izao. Omaly izy no niatrika ny Fampanoavana ary fantatra fa nalefa vonjimaika any am-ponja.
nangonin’i r.s