Olona tsy latsaky ny dimy no tonga tao aminy ary nandrahona mafy. Saingy efa mailo izy ka nifindra toerana talohan’io. Raha ny fanazavany dia nahazo sary maromaro mahakasika ny fitrandrahana ao anaty valan-javaboahary, izay faritra arovana izy. Nivoaka ihany koa tamin’ny fanadihadiana nataony fa ny mpitandro ny filaminana izay miaro io toerana io indray no manao kolikoly ka mampiditra olona, izay manome vola azy ireo, hitrandraka ao anatiny. Izany rehetra izany anefa, raha araka ny fanazavan’ilay mpanao gazety hatrany, dia alohan’ny amin’ny telo ora maraina. Mazava ho azy fa ny mba tsy hisian’ny porofo mahakasika ny fitrandrahana ny tanjona. Nampandre ny mpitandro ny filaminana izy, raha araka ny fanazavany hatrany, ary nanomboka teo no tsikariny ny fandrahonana amin’ny endriny samihafa. Notohizany ny fanadihadiana ary mainka koa izy nahazo sarin’olona maty nihotsahan’ny tany, tao anatin’ilay faritra voaaro. Olona nanao fitrandrahana io maty io. Tsy nisy fomba nanaromana ilay fitrandrahana intsony, araka izany, satria feno ny porofo. Matahotra ny ainy ankehitriny ilay mpanao gazety ary voatery niala tao an-toerana. Arahina akaiky ny fivoaran’ny raharaha, raha ny re mantsy dia misy manamboninahitra ambony iray ao ambadiny.
D.R