- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : Mpibizina safira voatafika, nanjavona ny vola Ar 12 tapitrisa

Ilakaka : Mpibizina safira voatafika, nanjavona ny vola Ar 12 tapitrisa

Lehilahy roa avy any Ambovombe Androy, mpividy vato sy mpibizina safira ao Ilakaka efa an-taonan’ny maro, no voatafika ny alahady teo, tany atsimon’i Manombo, ka lasan’ny jiolahy tamin’izany ny lelavola 12 tapitrisa ariary saika hividianana safira. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia niala tao Andohan’ Ilakaka izy roa lahy ireto ny tolakandron’ny asabotsy teo, handeha hividy vato any amin’ny “carrière” vao vaky tsy ela any Ambanivolo atsimon’i Manombo. Teny an-dalana anefa, nifanehatra tamin’ny malaso izy mirahalahy. Tsy misy ny alaharo fa tonga dia nitifitra ireto farany. Nisolifatra teo amin’ny ilan-tanany havian’ny mpividy vato iray ny bala. Nahita izany ilay namany tonga dia niankohoka tamin’ny tany nibaboka. Ny tany koa ngazana zara raha misy bozaka avo azo iafenana. Lelavola mitentina 12 tapitrisa ariary niampy finday telo no lasan’ireo olon-dratsy izay voalaza fa nitondra basy lava ny roa, basy vita gasy kosa ny an’ny telolahy.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser