Raha dahalo an-jatony no nandrasana ka nampihorohoro ny olona afak’omaly alina, jiolahy mpanafika indray no tonga ka nanao ny asany. Mpivarotra “saphir” antsoina hoe S.B, eo ambony avaratr’Ilakaka, no nataon’ireo olon-dratsy lasibatra. Nitifitra ireo jiolahy mba hampitahorana ny tompon-trano, mpivarotra saphir. Saingy tsy nanaiky mora foana ireo farany ka namaly tifitra ihany koa. Nampihemotra ireo olon-dratsy izany toe-javatra izany nony farany. Nitsoaka teo an-toerana izy ireo ary tsy hita izay nanjavonany. Mba tsy nisy arak’izany ny fahavakisan’ilay toeram-pivarotana saphir.”Ny nahatalanjona ny maro, dia tsy fantatry ny mpitandro ny filaminana akory ny zava-niseho, nefa tao tamin’io fotoana io dia nolazaina fa namafisina ny fiarovana an’Ilakaka vokatry ny fielezan’ny feo fa hanafika ny dahalo” raha araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray avy any an-toerana. Nanamarina ny fisian’io fanafihana io ny tompon’ilay toeram-pivarotana, no sady maniry ihany koa ny mba hanamafisana ny fandriampahalemana ao Ilakaka. Raha tsy nisy basy tokoa mantsy izany izy ireo dia mety ho tanteraka ny heloka bevava nokasain’ireo olon-dratsy natao. Etsy andanin’izany, dia nilaza ny manampahefana ao an-toerana, fa tsaho niely fotsiny ihany ny momba ireo dahalo roan-jato lahy izay hanafika. Nisy mihitsy aza ny fampitam-baovao nataon’ny tompon’andraikitry ny seraseran’izy ireo momba izany. Torak’izany ihany koa ny mpitandro ny filaminana; izay nilaza fa nilamina tanteraka iny alin’ny alatsinainy iny tao Ilakaka. Izany hoe nilamina fa nisy fifampitifirana…kely fotsiny.
D.R