- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : Nambanan’ny mafia basy ny mpanao gazety

Ilakaka : Nambanan’ny mafia basy ny mpanao gazety

Samy vavolombelon’ ny zava-nitranga avokoa ny fokonolona sy ny miaramila ; izay misahana ny fiambenana ny faritra arovana ao Bekaraoka-Bepeha.Ny zoma tokony ho tamin’ny fito ora alina, tonga teny an-toerana i Fernand Cello, mpanao gazety mpanao fanadihadiana izay miasa eo anivon’ny Radio Jupiter ao Ilakaka. Izy irery no mba hany naneho am-pahibemaso hatramin’izay fa, misy miditra ny faritra arovana ary misy manao fitrandrahana vato. Tonga taty amin’ny tompon’andraikitra mahefa tsirairay taty an-drenivohitra ny zava-nitranga ary nisy ny fepetra noraisina. Izany anefa dia toa tsy nanova zavatra firy : mbola mitohy hatrany ny fitrandrahana ao Bepeha-Bekaraoka, izay efa nisy niverimberenan’ny vono olona sy ny fifandravonana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nidina tao an-toerana i Fernand Cello rehefa nandre fa tena gaboraraka tanteraka no nitranga tao Bepeha, ary efa misy hatramin’ny hotely aza ao anatiny ankehitriny, ho an’ireo mpitrandraka. Raha araka ny lalàna Cites anefa, raha tsahivina fohy, dia heloka bevava ny fidirana ary indrindra koa ny fitrandrahana eo anivon’ny faritra arovana. « Raha  nahita ahy tonga teo ny lehilahy iray, olom-panjakana teo aloha ; izay efa noroahina tamin’ny asany noho ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ihany,  avy hatrany dia nanitsy ahy tamin’ny môtô nentiny. Soa fa teo ny fokonolona niaro ahy. Nahita izany koa ny miaramila dia nisintona ahy teo an-toerana mba ho fiarovana ny aiko. Tsy nampihemotra azy izay efa namahana ny P.A teny an-tanany izany. Raha tsy ny miaramila no namahana ny basy ary nanome baiko ny hialany teo dia asa izay nanjo ahy » hoy i Fernand Cello. Ny ampitson’iny ihany dia efa nipetraka teny amin’ny Tonia Mpampanoa lalàna ny fitoriana ary raha ny fantatra dia anio no hisy ny baiko mizotra ho any amin’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ity raharaha ity. « Sady mbola tsy voatsara akory ny dosie mahakasika fitrandrahana tsy ara-dalàna izay nataon’io olona io ary izao koa izany dia hiampy indray ny vesatra dia ny fandrahonana ho faty tamin’ny basy » raha ny fanazavan’i Fernand Cello. Handrasana ny fivoaran’ny raharaha anio, satria raha ny re dia misy mpanao pôlitika maromaro miaro an’ilay rangahy izay malaza ho tsimatimanota ao Ilakaka. Manaraka akaiky ny raharaha ihany koa ny Filohan’ny Holafitry ny Mpanao gazety izay nilaza avy hatrany fa manameloka ny fandrahonana toa izao…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser